Actualités

Fadin-tseranana Antanimena “Olona nenjehin’ny PAC miverina amin’ny toerany”


  • Alakamisy 07 Janoary 2021

Ny Filoha Rajoelina vao tonga teo amin’ny toerany dia naneho fa tsy misy fandeferana na “tolérance zéro”

 

 

ny fanaovana kolikoly, ny Tale Jeneralin’ny Fadin-tseranana vao tonga teo, dia nanamafy izany ihany koa. Ny zava-misy ato aminay anefa, hoy ny mpiasa iray eo anivon’ny Fadin-tseranana, dia ny volana martsa no nalain’ny Bianco tao amin’ny biraony tao Antanimena ny tompon’andraikitra iray. Mazava fa kolikoly matoa Bianco no naka azy, ary rehefa nandeha PAC (Pôle Anti-Corrumption), dia nidoboka am-ponja vonjimaika 4 volana izy io, ka mpisolo toerana vonjimaika (intérim) no nisolo azy nanomboka ny volana martsa, hoy hatrany ny fanazavana. Marina fa mety mbola tsy voaheloka izy, fa ny tena henjana, dia nahazo fahafahana vonjimaika ilay tompon’andraikitra, ary miverina manao ny asany kanefa mbola manana dosie any amin’ny PAC, ary manao vava fa na ny Tale Jeneralin’ny Fadin-tseranana na ny Minisitra aza dia ambarany fa tsy misy mahala azy amin’ny toerany, hoy hatrany ny fanazavana avy amin’ny mpiasa. Mametra-panontaniana ny mpiasa hoe: tsy mbola nisy fanendrena solony hatramin’izao ka tsy misy mahasolo azy mihitsy ve izany na efa voarohirohy amina afera maloto aza, ary ny any ambony aza ve tsy mahafehy azy tokoa? Midika ve io sanatria fa ny tompon’andraikitra any ambony toy ny tale jeneraly sy ny minisitra mihitsy no manome vahana sy miaro ny olona efa voasaringotra amina afera maloto? hoy hatrany ny fanontaniana avy amin’ny mpiasa.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT