Tanora tsy nifankafantatra sy nifanalavitra no natambatry ny tambajotra “facebook” ka nahatafatsangana fikambanana iray antsoina hoe “Ino Vaovao à Toamasina” ankehitriny.
Nisy ny hetsika nokarakarain’izy ireo ny sabotsy tontolo andro teo tao Salazamay, sady ho fifampiarahabana noho ny taona vaovao no nifankafantaran’izy ireo bebe kokoa. Fikambanana tsy manana filoha izy ity, nefa nasiana kosa ny mpandrindra izay tarihan’Atoa Haja Jean René. Nilaza ity farany fa “raha tambajotra no nahatonga anay hitambatra sy hiray hina toy izao, dia ataonay ho tena miaina amin’izany ho fampandrosoanay an’i Toamasina”. 4.000 mahery ny mpikambana izao manerana ny Nosy sy any ampitan-dranomasina, ny fananana kaonty “facebook” sy fidirana ho vondrona ao aminy no fidirana ho mpikambana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.