Navorin’ny Sekretera jeneralin’ny Faritra Atsinanana maika tao amin’ny efitrano fivoarin’ny mpanolotsaim-paritra ireo Tangalamenan’ny foko 18 ao Toamasina, niampy ireo olobe ao an-tanàna, ny talata 24 mey teo.
. “Fa misy inona ?”, hoy ny feo niely tao an-tanàna. Ny vaovao nangonina no nahalalana fa misy mitady hampisara-bazana ny Malagasy samy manana ny faritra niaviany monina ao Toamasina, noho ireo toe-java-nisy tao ho ao tany an-toerana. Teo ny nandroahana ireo mpitrandraka safira tao Mandraka Toamasina II ka nivoahan’ny feo avy amin’ireto farany fa “tsy mbola natao ohatra izao izahay raha tsy teto Toamasina. Inona loatra ny antony tsy itiavan’ny mpitondra eto Toamasina ny fahatongavanay mitady vola aty ?”. Eo koa ny raharaha oniversiten’i Toamasina, izay nisiana resaka nandeha fa “tsy raharahain’ny mpitondra ao an-toerana mihitsy ny loza mitatao amin’ny mpianatra ao Barikadimy satria tsy zanak’i Toamasina no tra-doza lava eny an-dalana nefa efa am-polony ny maty nanomboka ny volana 2010 no ho mankaty, amin’izay koa tsy mandray mpianatra raha mangataka fihaonana”.
Manaraka izay ilay raharaha posy bisikileta izay zanak’Atsimo Atsinanana no lasibatra sy ny raharaha BOA ary ilay famonoana ny Dr Laivao farany teo, izay misy manitatra fa “ny tsy meloka indray no gadraina, ary avy amin’ny faritra hafa avokoa no lasibatra hilazana fa miasa ny mpitandro ny filaminana manao ny asany”. Manampy trotraka ireo rehetra ireo ny raharaha politika. Ao raha matoa misy ny famoriana maika tahaka izao.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.