Mihazakazaka ny vaovao momba ny Exxon Mobil hatramin’ny nihaonan’ny filoha Malagasy sy ny Tale jeneraliny tany Etazonia farany teo. Nisy ny fihaonana teo amin’ny fiarahamonim-pirenena AVG sy ny vondrona «Publiez ce Que Vous Payez» sy ny tomponandraikitr’ity orinasa amerikanina ity eto an-toerana ny fiandohan’ny herinandro teo.
Nandritra io fotoana io no nanontaniana azy ny antsipirihany samihafa amin’ny fitrandrahana kasainy hatao eto sy nametrahan’ireo fiarahamonim-pirenena koa ny fepetra samihafa takiany. Hentitra dia hentitra moa ireto farany izay milaza fa tsy misakana ilay tetikasa fa kosa te hahazo antoka fa hahazo tombony tokoa ny Malagasy ary milamina ihany koa ny drafitra ara-tontolo iainana. Ialana koa ny fiverenan’ny endrika fanambakana mahazo antsika amin’ireo orinasa mpitrandraka sasany noho ny hakelin’ny tombontsoa avy amin’izy ireo.
Araka izany dia takian’ny AVG sy ny «Publiez ce Que Vous Payez» amin’ity orinasa ity ny mangarahara rehetra manomboka amin’ny fifanarahana, ny hetra sy haba aloany amin’ny fanjakana. Asaina hanao fanambarana momba izany amin’ny alalan’ny fidirany ao amin’ilay sehatra antsoina hoe : «Extractive Industries Transparency Initiative na EITI». Takiana aminy koa ny fandraisana mpiasa Malagasy ho laharam-pahamehana amin’ny asa fikarohana solitany hataony ary ny fananana politika matotra fiatrehana ny mety ho vokadratsy ateraky ny fitrandrahana amin’ny lafiny tontolo iainana sy ara-ekonomika.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.