Maro ireo olona vonona hifindra monina eny ambanivolo na «exode urbain» karakarain’ny HAFARI Malagasy raha tarafina tamin’ny havoriana teny amin’ny Espace Anjara Tiavina Anosizato Atsinanana omaly.
Tetikasa heverin’ny HAFARI fa afaka hiadiana amin’ny fahantrana ny «exode urbain». Araka ny fanazavan’Atoa Rafanomezantsoa Jean Nirina dia manana tany ny fanjakana ka rehefa homena tany ny vahoaka dia afaka mampiditra hetra rehefa mamokatra eo izy. Ho foana ho azy ny ady tany noho izany satria manana ny azy ny vahoaka, hihena koa ny tsy fandriampahalemana satria manana asa ivelomana ny mponina, hoy izy. Efa leon’ny adilahy politika miteraka krizy ny vahoaka, hoy ity filohan’ny HAFARI Malagasy ity, ka ny fijerena ny sosialiny izao no tena zava-dehibe.
Vonona ny hanome tanana ny HAFARI Malagasy amin’ny fitondrana ny volavolan-dalàna efa narafiny eny amin’ny Antenimieram-pirenena ireo solombavambahoaka mirahavavy Rahantanirina Lalao (Mahajanga I) sy Raherisoa Vololona (Antananarivo faha-VI) izay namaly ny antso ka tonga teny Anosizato omaly niaraka tamin’ireo tompon’andraikim-panjakana hafa toy ny solontenan’ny minisiteran’ny fitsarana, ny solontenan’ny tribonaly Anosy sy ny Fampanoavana, ny avy amin’ny mpitandro ny filaminana … Samy resy lahatra izy ireo fa tetikasa tsara ity aroson’ny HAFARI Malagasy ity ka mendrika tohanana. Eny Betsizaraina sy Ambohimanambola Avaradrano aloha no hanombohana ny tetikasa eto Antananarivo.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.