Banga ny toeran’ny kardinaly taorian’ny nahalasanan’ny arsevekan’Antananarivo, Mgr Razafindratandra Armand Gaëtan ny 09 janoary 2010.
Efa-taona niandrasana ny mpino katolika eto Madagasikara hoe rahoviana ihany izy ity ? Tsy teto an-toerana nandritra ny andro maromaro ireo Eveka am-perinasa fa tany Vatikana ary nihaona sy nifampidinika tamin’i Papa François. Tsy nisy nipika ny fihaonana, saingy azo inoana fa anisan’ny lahadinika tao ny amin’io fanendrena Kardinaly io.
Na izany aza azo anaovana vinavina ny sary miparitaka, mirakitra ny fihaonana tao Vatikana. Hita amin’ny sary eo an-kavian’i Papa François ny Evekan’Antsirabe Mgr Ranaivomanana Philippe. Amin’ny sehatra avo amin’ny Katolika toy itony dia tsy misy zavatra kisendrasendra sy mandehandeha ho azy izany, indrindra fa raha haka sary toy izao. Ny Evekan’Antsirabe ary ve no ho lasa Kardinaly ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.