Actualités

Evariste Ramanantsoavina “Aoka tsy hodisoina ny tantara !”


  • Alakamisy 05 Mey 2011

Roa taona lasa izay, tao anatin’ity fitondrana tetezamitan’ny FAT ity, roa andro taorian’ny nanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety koa ny 5 mey 2009 no nisamborana nanaovana sarika am-pandriana ny mpanao gazety Evariste Ramanantsoavina teny amin’ny trano fonenany teny Andrononobe.

 Ny andron’ny 3 mey 2009 raha nanao «reportage» teny amin’ny Cite Ambatonakanga izy dia nilaza ny iray tamin’ireo mpitarika ny fikambanana mpanao gazety zokiolona fa tsy hisy intsony, hono, ny fisamborana mpanao gazety araka ny filazan’ny minisitry ny serasera tamin’ny fotoanandrony izay mpanao gazety ihany koa, nefa dia io voasambotra io ilay mpanao gazetin’ny Radio Mada. Maro no efa voalazan’ireo namana mpanao gazety tamin’izany fotoana nisehoan’ity tranga ity izany ary voavakin’ny niharam-boina avokoa taorian’ny fivoahany ny fonja. Tsy homen-tsiny ny fomba nanoratan’ny rehetra ny seho fa samy manana ny foto-kevitra ijoroany moa araka ny fironan’ny orinasa iasany avy fa ny ahitsy kely tamin’izy ireny fotsiny dia ny hoe «tamin’ny 5 ora sy sasany maraina i Evariste Ramanantsoavina no nalain’ny mpitandro ny filaminana (na herim-pamoretana) tanaty minibus roa sy 4x4 iray niaraka tamin’ny basy tsirairay avy teny an-tanany dia nentina teny amin’ny CNME Ambohibao.

Voatery notazonina tao roa andro satria tsy nisy vesatra mazava nitazonana azy tamin’ny andro voalohany fa vao namoronana fitoriana hafahafa tsy mifandraika amin’ny fisamborana akory. Dia naiditra am-ponja vonjimaika taorian’izay ka nijanona teny Antanimora 13 andro nefa afaka madiodio rehefa natao ny fitsarana. Nentina toy ny jiolahy raindahiny nofatorana rojovy ny mpanao gazety tamin’izany rehefa hiatrika fitsarana. Izay no ampahany fohy azo tantaraina amin’izao fitsingerenan’ny faharoa taona nisamborana mpanao gazety voalohany tao anatin’ny fitondrana FAT izao, ny ambiny dia efa nampanantenaina ny tapaka sy namana ary ny havana aman-tsakaiza fa mbola horaketina anaty boky avokoa na dia tsy nandray penina nirakitra izany aza tany am-ponja. Efa be no voalaza tamin’ny fandalovan’ny mpanao gazety avy any ivelany ary na dia tsy nasiana teny aza ny amin’ny trangan-javatra tahaka itony tamin’ny 3 mey dia efa voarakitra any amin’ny boky firaketana tantaran’izao tontolo izao sy efa nozaraina amin’ny taranaka faramandimby fa tsy voakosoka na oviana na oviana na iniana atao izany aza.

Ho an’ireo namana mpanao gazety sy ireo tanora maro mianatra ity asa masina ity dia hafatra fohy no hatolotra : «Aoka tsy hodisoina ny tantara fa nisy tamin’ny andron’ny fitondrana FAT ny mpanao gazety maro naiditra am-ponja noho ny tsy fahatatesana ny demokrasia». Efa nisaotra ny rehetra indrindra ireo namana tsy nikely soroka tamin’ny firaisankina nasehon’izy ireo tamin’ireny fotoana ireny i Evariste Ramanantsoavina ary mbola mamerina izany etoana ho an’ireo izay tsy voasaotra mivantana na somary adino ary dia mbola mamerina ny fisaorana efa natao teny amin’ny kianjan’i Magro Ankorondrano tamin’ny fotoanandrony, an’ireo rehetra nampiditra mpanao gazety am-ponja na nivantana na an-kolaka fa nahitan-javatra sy nahafahana nampitombo ny ambaindain’ny fahalalana sy fanatanterahana ny asa fanaovan-gazety ny zavatra rehetra hita tany. «Ho ela velona ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety Malagasy !».

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT