Etazonia, Frantsa, Angletera

> Hanao angaredona hanafika an’i Siria ?


  • Alakamisy 29 Aogositra 2013

Mikaon-doha mafy ireo firenen-dehibe tandrefana mpikambana ao amin’ny vondron-tafiky ny OTAN ny amin’ny hetsika tokony atao any Siria. Efa niketrika ny mety ho drafi-panafihana any an-toerana ny Anglisy.

Ny Amerikanina dia efa nanatombo isa ny sambo mpiadiny mihantsona any amin’ny ranomasina Mediterane manakaiky an’i Siria. Ny Frantsay sy ny Anglisy moa dia efa manana andiana miaramila mitoby manodidina iny faritra iny. Efa tsy misalasala intsony ny Amerikanina sy ny Frantsay ary ny Anglisy fa dia mitovy hevitra fa tena nampiasa fitaovam-piadiana simika mba nandripahana sivily an-jatony ny tafika Siriana, eo ambany fifehezan’ny filoha Assad. Ampanatanterahana ny fanadihadiana ifotony any an-toerana ireo iraka manokan’ny Firenena Mikambana amin’izao fotoana. Mety hivoaka ato ho ato ny tatitra, na izany aza anefa efa tena miteny ho azy ny sary averimberin’ireo filazam-baovao vahiny maro tahaka ny CNN (Amerikanina), ny BBC (Anglisy) sy ny France24 (Frantsay) fa tena nampiasa fitaovam-piadiana simika ny tafi-panjakana Siriana. Ny mpitondra Siriana anefa etsy an-kilany manizingizina fa tsy nanao izany ry zareo fa ny mpanohitra no nampiasa fitaovam-piadiana simika.

Nampitandrina ihany koa ny minisitry ny fiarovana Siriana fa hahita loza ny tandrefana raha mitetateta hanafika an’i Siria ary mety tsy hampoizin’izy ireo ny herin’ny tafika Siriana. Mizara roa mazava ny hevitr’ireo firenen-dehibe mpikambana ao amin’ny filankevi-pilaminan’ny Firenena Mikambana momba ity raharaha ity. An-kilany ny Amerikanina, Frantsay ary Anglisy mihevitra fa efa fotoana hampiasan-kery izao fa tafahoatra ny ataon’ny filoha Bachar El Assad sy ny tafika eo ambany fifehezany. An-daniny kosa ny Rosianina sy ny Sinoa dia mitsipaka ny mety ho fampiasan-kery fa kosa mitaky ny hanohizana ny fifampiresahana ambony latabatra. I Iran ihany koa dia efa niantso ireo firenena tandrefana mba tsy hanafika an’i Siria, satria mety tsy azo eritreretina ny mety ho fitaran’ny raharaha. Ny olon-tsotra mpomba ny filoha Assad any Siria kosa dia efa nilaza fa raha manafika azy ireo ny tandrefana dia ho raikitra ny ady lehibe fahatelo.

 

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT