Etazonia

> Mendrika hahazo mpitondra voafidy ny Malagasy


  • Alarobia 30 Oktobra 2013

Nilaza ny heviny ny Amerikanina taorian’ny nahavitana ny latsa-bato fihodinana voalohany amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Nisy ny fanambarana nivoaka mahakasika izany.

«Miarahaba ny vahoaka Malagasy izahay noho ny nandraisany anjara tao anatin’ny filaminana tamin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filoham-pirenena. Miombona amin’ny vahoaka Malagasy i Etazonia amin’ny fanantenana fa izany fifidianana manan-tantara izany no ho dingana voalohany mankany amin’ny fiverenana amin’ny fitondrana demokratika eto Madagasikara. Mampirisika ireo manampahefana Malagasy ihany koa izahay hanao izay hahazoana antoka fa mirindra araka ny tokony ho izy ny fanangonana ny voka-pifidianana ary hamoaka vokatra heken’ny rehetra. Efa ela loatra ny vahoaka Malagasy no nijaly noho ny faharavana ara-tsosialy sy ara-toe-karena naterak’ilay fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009. Mendrika azy ireo ny hahazo mpitondra voafidy izay hitondra ny hetahetan’ny vahoaka.
Vonona hatrany i Etazonia hiaraka hiasa amin’ny vahoaka Malagasy, ary mbola mitana ny toerana maha mpamatsy vola mivantana misongadina indrindra azy ho an’i Madagasikara, satria saika mahatratra 60 tapitrisa dolara na 132 miliara Ariary ny fanampiana natolotray nandritra ny taona 2013, fanampiana izay nafantoka tamin’ireo fandaharanasa ho an’ny fahasalamana sy ny fanjariana ara-tsakafo. Na tsy manaiky ny fitondrana ankehitriny aza izahay, dia ekenay kosa fa maro ny zavatra ilain’ny vahoaka Malagasy, ary miezaka mameno izany izahay».

Nangonin’i JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT