Actualités

Espace Rado Tsy misy mpiraharaha


  • Talata 13 Septambra 2011

Anarana sisa no maha tranon’ny kolontsaina ny efitrano Rado etsy Ambohijatovo.

 Tsy misy ny fikarakarana ity ivontoerana ity, hany ka vovoka no mameno ny gorodana, tranonkala no mandravaka ny rindrina ary tsy misy intsony ihany koa ireo lamba mandrakotra sy mandravaka ny varavarankely. Manginy fotsiny ny fahapotehan’ireo seza. Efa am-bolana maro no tsy nisy ny fikarakarana ity toerana avon’ny kolontsaina mitondra ny anaran’i Georges Andriamanantena na Rado ity. Fifanilihana andraikitra eo amin’ny ministera samihafa no mahatonga izao fahasimban’ity tranom-bakoka ity izao.

Tsy nandray an-tanana ny fandiovana sy fanajariana azy intsony ny ministeran’ny kolontsaina sy ny vakoka raha vao namindra ny biraony eny Anosy. Mifampiandriandry koa anefa ny ministeran’ny tanora sy ny alavoly andaniny sy ny ministeran’ny fanatanjahatena ankilany izay mizara ireo birao eny amin ny “Place Goulette” ankehitriny. Tsy vitan’izay fa mbola miteraka korontana amin’ny asam-panjakana ny fivezivezen’ny olona ao an-toerana araka ny nambaran’ny ny minisitry ny alavoly sy tanora, Johasy Éleonore ny sabotsy lasa teo, raha nandray ny filohan’ny JCI ny tenany. Araka izany dia misy ny fikasana hamindra ity ivontoerana ity an-toeran-kafa izay tsy voafaritra aloha hatreto. “Avadika birao ny Espace Rado ka afindra amin’ny toerana sahaza azy”, hoy hatrany ramatoa minisitra. Andrasana izay hevitry ny mpanakanto manoloana izao tsy firaharahana ny vakoka fampandrosoana ny kolontsaina Malagasy izao.

Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT