Actualités

EPP Pointe Tanio - Toamasina Nalaina Jeneraly sy Kolonely ny taniny


  • Talata 19 Febroary 2013

Mitaraina ny ray aman-drenin’ny mpianatra sy ny mpampianatra ary ny mpandraharaha eo anivon’ny EPP Pointe Tanio, fa nalaina Jeneraly sy Kolonely ny kianja filalaovam-baolin’ny sekoly, ary efa nasian’izy ireo fefy be izany.

 Ny alatsinainy 04 febroary no tonga tao amin’ny sekoly ity kolonely iray izay mifampizara ny tany amin’ilay jeneraly nilaza fa “haka ny taninay izahay miaramila”. Tsy niandry ela fa ny alatsinainy 11 febroary nisy andiana miaramila an-daharana valo lahy tonga niaraka tamin’ny basy kalaky sy ny volotsangana na volo nentin’ny fiaraben’ny tafika namefy ilay kianja filalaovam-baolin’ny mpianatra, araka ny iraka nampanaovina azy ireo. Raha nangata-pahazavana ny teo anivon’ny EPP Pointe Tanio dia novalian’ilay kolonely fa “tsy mila miresaka sy mifandraharaha izahay. Haka ny taninay izahay dia ampy izay. Ny anay koa baiko miaramila ka tsy maintsy tanterahina”.

Vokatry ny toe-draharaha dia nandray fepetra ny ray aman-drenin’ny mpianatra sy ny mpandraharaha ny sekoly ary ny mpampianatra rehetra ka nitondra ny raharaha teo anivon’ny Cisco sy ny DREN Atsinanana, izay milaza hitondra ny raharaha eo anivon’ny fanjakana mahefa ary eo am-pangatahana didim-pitsarana handravana ny fefy sy hamerenana ny tany amin’ny sekoly. Manabe mpianatra miisa 510 manomboka CP1 – CM2 ny EPP Pointe Tanio ary mampiantrano ihany koa ireo mpianatry ny CEG Augagneur noho ny tsy fahampian’ny efitrano fianaran’izy ireo amin’ny Bd Augagneur…

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT