Tsy diso anjara amin’ny fanamarihana ny iray volan’ny ankizy ny orinasam-pifandraisana Airtel Madagascar amin’ny maha orinasa Malagasy azy.
Nosinganiny manokana tamin’izany ireo mpianatra ao amin’ny sekoly ambaratonga fototra Mahavelona Antananarivo izay ahian’ny orinasa manokana, niampy ireo zanaky ny sahirana ara-pivelomana ao amin’ny fokontany Ampasy any amin’ny distrikan’i Toliara I, Faritra Atsimo Andrefana. Nisy ny fanoloran’izy ireo harendrina, vatomamy, bisikoitra ho an’ny ankizy madinika, notarihin’ny tale jeneraliny Maixent Bekangba. Ho an’ny EPP Mahavelona manokana dia ankizy miisa 300 no nahazo tombony tamin’izany. Harendrina gasy no nozaraina, izay mbola mitana sy mampahafantatra ny kolontsaina malagasy amin’ireo ankizy madinika ho lovasoan’ny taranaka faramandimby. Ho an’ny fokontany Ampasy manokana dia Andriamahefa Jaona, ekipan’ny orinasam-pifandraisana Airtel Madagascar any an-toerana no nitarika ny lanonana. Tsiahivina fa misy hatrany ny hetsika fizarana harendrina tanterahin’ity orinasam-pifandraisana iray ity rehefa fetin’ny Asaramanitra tahaka izao ho firaisan’aina amin’ny Malagasy mpiray tanindrazana rehetra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.