Actualités

Entin’ny tsy fisiana Mifatratra amin’ny karama vary masaka ireo kilonga


  • Talata 03 Jolay 2012

Tsy misy asa ratsy ! Io no azo ilazana ny zava-misy iainan’ireo tovovavy sy tovolahy kely ao an-drenivohitra Anôsy ao.

 Maro amin’izy ireo no nijanona tamin’ny fianarana ka mirotsaka amin’ny sehatry ny asa. Antony maro no mahatonga izany. Eo ireo mpampianatra tsy mbola miverina miasa, eo ny tsy fisiana sy ny fahasahiranana ary ny tsy azo ihodivirana dia ny fanarahana ireo rendrarendran’ny tanora ao an-toerana. I Faradofay rahateo toerana mahasarika mpizahatany, hany ka saika hita any an-toerana avokoa izao tranga isan-karazany entin’ny avy any ivelany. Matetika dia mikarama mivarobarotra eny an-dalambe izy ireo mandritra ny tontolo andro, dia toy izany hatrany. Miandahy miambavy izy ireo. Tsy mahita lavatrano raha tsy ny hariva. Ho an’ireo tia rendrarendra kosa moa dia mivantana any amin’ny toeram-pandihizana. Tandindomin-doza, araka izany, ny hoavin’ny kilonga raha izao no mitohy.

Natiora OTH

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT