Actualités

Entana very lava eo anivon’ny MICTSL Mandrangaranga fitokonana ny mpiasan’ny ladoany


  • Talata 24 Aprily 2012

“Raha tsy mandray ny andraikiny ny fanjakana mikasika ny entan’olona very lava eo anivon’ny MICTSL izao, dia hiafara amin’ny fanakatonan’ny mpiasan’ny ladoany ny seranantsambo indray izao”.

 Izay no nambaran’ireo mpiasan’ny ladoany ny sabotsy 21 aprily 2012 maraina teo, raha nahitana ireto kaontenera miisa 10 fongana tsy hita ny entana tao anatiny nefa tokony hatao lavanty. Nisy ny fidinanana ifotony nataon’ny filohan’ny Antenimieran’ny varotra, ny mpiasan’ny ladoany, ny vadintany ary ny polisy misahana ny fandikan-dalana ara-toekarena teo anivon’ny fitobiana kaontenera ny “MICTSL – Santatra”, hanamarina ireo kaontenera 10 izay tokony hatao lavanty ireo.

Efa fanao rahateo izany. Nosokafana tsirairay ireo kaontenera ireo. Ny roa tamin’ireo efa nanaovan’ny vadintany hafa fanamarinana ny 10 janoary 2012, ka raha tokony ho godorao na “bitumes” no tao anatiny dia vatokely sy vovo-bato no hita. “Manabotry firenena ny toy izao raha tsy mandray ny andraikiny ny fanjakana. Manginy fotsiny ny vola tsy miditra aminay Antenimieran’ny varotra, nefa io no mba hany fidiram-bola ahafahanay manao ny asanay”, hoy i Mandraina Félix, filohan’ny Antenimieran’ny varotra Toamasina (CCIT). “Efa amina miliara izao ny fidiram-bolanay no nanjavona, ka tsy maintsy hampakatra ny raharaha eo anivon’ny fitsarana izahay” hoy hatrany ity filohan’ny CCIT ity. Nitondra zandary koa ny teo anivon’ny MICTSL, nanao fijerena ny zava-nisy, nefa tsy nety nilaza ny heviny fa “tsy tompon’andraikitra fa nirahana fotsiny”, araka ny nambarany. Tantara mitohy, araka izany, ity raharaha ity.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT