Saron’ny mpitandro filaminana avy amin’ny Zandarimaria tao Andranomanelatra ihany ny entan’ny Tiko izay very tao aminy. Raha ny angom-baovao avy tany an-toerana dia natoby tamina trano iray tao an-toerana ihany ireto entana ireto. Nahatratra telo kamiao ny habetsany izay nahitana vy isan-karazany nampiasaina tao amin’ny ilay “FARM 3”, saika hampidirana ireo omby marobe tao Andranomanelatra
Ankoatra izay dia nahitana tafo fanitso an-jatony maro, milina isan-karazany sy fitaovana momba ny fitarihan-drano samihafa, hazo isan-karazany izay avy any ivelany, vy fanao fefy sy ny maro hafa. Raha ny tatitra azo ihany dia nisy tamin’ireo mpiambina no efa nahiahiana ka narahi-maso. Ny zoma hariva dia nisy saretin’omby niditra ny toeram-piasana kanefa tsy misy izany ao an-toerana ka nojokoina ny sasany tamin’ireo mpiambina. Tokony ho tamin’ny 9 ora alina dia voalaza fa nitaona ireo entana ireo mpangalatra saingy nitsoaka avy hatrany raha saika hosamborina.
Nifanenjehana niaraka tamin’ny zandary izy ireo ka voatery nanapoaka basy mihitsy ireto farany fa tsy nijanona izy ireo. Nandrasan’ireo zandary fotsiny ny fiverenan’izy ireo teo amin’ny toeram-piasany dia noraisim-potsiny nony avy eo. Ny sabotsy maraina moa dia fantatra tamin’ny fanadihadiana tamin’ireto roalahy tratra ireto ny fanatobiany ireo entana nangalarin’izy ireo ka dia noraisim-potsiny tao amin’ilay trano. Raha ny voalaza dia nahitana entana efa very tamin’ny taona 2011 mbola tratra tao amin’ity trano ity. Tsy tratra moa ny tompon’ity trano nitobian’ireo entana ireo saingy efa fantatra fa olona kalaza amina resaka halatra sy fanakanana fiara, ary efa matetika no miditra ny fonja amin’io fomba fiasany io nefa tsy mijanona ela any ranamana noho ny antony tsy fantatra. Olona roa hatreto no voatazona amin’izao raharaha izao ary efa fantatra ihany ireo mpiray tsikombakomba aminy ka efa noraisin’ny mpitandro filaminana an-tanana ny raharaha.
Caïus RaharisonTia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.