Taorian’ny fivoriana izay notanterahan’ireo mpianatra ao amin’ny Ecole Normale Supérieure eny Ampefiloha ny alarobia 02 oktobra 2013 teo, dia nanapa-kevitra ny hiroso amin’ny fitokonana tsy misy fetra ihany koa izy ireo nanomboka omaly zoma 04 oktobra 2013 teny amin’ny faritr’Ampefiloha sy ny manodidina.
Raha ny fanazavana azo teny an-toerana dia mitovy fomba fijery amin’ny fitakian’ireo mpianatra hafa manerana ny oniversite eto Antananarivo ireto mpianatra «Normaliens» taona voalohany hatramin’ny taona fahadimy ireto izay anisan’ny antony hanaovan’izy ireo izao hetsika fitakiana izao. Tsy afa-po amin’ny fivoahan’ny vatsim-pianarana roa volana nomen’ny Ministeran’ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana siantifika mantsy ireto mpianatry ny anjerimanontolo ireto. Raha ny tokony ho izy ary izay no fanao hatrizay, hoy ny solontenan’ny mpianatra nitondra fanazavana, dia mandeha mialoha hatrany ny fampitaovana vao miroso amin’ny vatsim-pianarana avy eo nefa tsy izany no mitranga ankehitriny. Efa nahavita enim-bolana iray izao ireo mpianatry ny oniversite ka rariny sy hitsiny ny fitakiana ny vatsim-pianarana telo volana, hoy izy ireo. Fanamarihana nentin’ny mpianatra mpitokona moa no nilaza fa zon’izy ireo no manao fitakiana ary tsy hijanona izany raha tsy misy ny valiny mahafa-po azy ireo. Nitarika fitohanan’ny fifamoivoizana ny fitakiana nataon’ireto mpianatra avy amin’ny ENS Ampefiloha ireto. Tonga teny an-toerana ry zareo avy amin’ny Emmo-Reg nifampidinika sy nifampiresaka tamin’ireo mpianatra ka tsy ela dia niverina namonjy ny ivontoeram-pianaran’izy ireo ary tao no nanohy ny fitokonana.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.