Sambany no hotanterahina eto amintsika ilay hetsika “Enjoy Madagascar”, karazana foara iray lehibe sy miavaka
karakarain’ny agence de communication la premiere ligne, tafiditra ao anatin’ireo évenement 4 etoiles hotontosain’izy ireo amin’ity taona 2016 ity. Etsy amin’ny Forello Expo Tanjombato no hanatanterahana izany ny 16 ka hatramin’ny 19 jona ho avy izao. Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny tsingerin-taona faha-56 niverenan’ny fahaleovantena ny hetsika, hoy Ramiaramanana Dominique izay mpikarakara ny hetsika. Ankoatra izay dia hisy ny sehatra manokana hampahafantarana an’i Madagasikara sy ny mampiavaka azy hahafahana misintona mpizahatany vahiny marobe tokoa. Tsy ho latsa-danja amin’izany ireo karazana hetsika enina indray hampiarahana mandritra ny foara toy ny fanatanjahantena, ny sakafo, ny lamaody, ny fikarakaram-batana ary ny resaka tontolo iainana. Hisy ihany koa ny toerana manokana ho an’ny mpanao gazety, hiresahana momba ny fahalalan’ny asa fanaovan-gazety eto amintsika ny fahafahana maneho hevitra amin’ny ankapobeny.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.