Actualités

EMMO-Reg Nanamafy ny fiarovana an’i Lalao Ravalomanana


  • Alarobia 13 Martsa 2013


 Vahiny nanira-tena tonga teny an-tokantranon’ny filoha teo aloha eny Faravohitra omaly tolakandro ny kolonely Rakotomahanina Florens, komandin’ny fari-piadidian’ny zandarimariam-pirenena Faritany Antananarivo sy ny kolonely Rakotondrazaka Andry, mpitarika ny EMMO-Reg Analamanga, nihaona sy nifampidinika tamin-dRtoa Lalao Ravalomanana vadin’ny filoha teo aloha, izay vao nigadona an-tanindrazana omaly maraina rehefa sesitany politika tany Afrika Atsimo nandritra ny efa-taona. Hentitra ny fanazavan’ny kolonely Rakotomahanina Florens fa fampiharana ny andininy faha-20 ao amin’ny tondrozotra, dia ny fiarovana ireo sesitany politika nody an-tanindrazana no anton-dian’izy ireo teny Faravohitra. Manana sata manokana amin’ny maha vadin’ny filoham-pirenena teo aloha rahateo Rtoa Lalao Ravalomanana. Sady hiambina ny toerana onenan-dRtoa Lalao Ravalomanana izy ireo no hiantoka ny fiarovana azy amin’izay dia rehetra alehany, ankoatra ny fivoriana politika ary efa nomena baiko amin’izany ireo komandin’ny vondrom-pileovan’ny zandary amin’ireo Faritra efatra iadidiany, hoy hatrany ny komandin’ny fari-piadidian’ny zandarimariam-pirenena Faritany Antananarivo nanamafy ny fanazavany.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT