«Tsy hitsitsy mihitsy ny Emmo-Reg raha sendra misy ny fihoaram-pefy mandritry ny fankalazana ny 29 martsa. Andron’ny maherifo io ary tokony hiraisan’ny firenena fa tsy sanatria akory eo indray no hampisehoan’ny sasany fihoaram-pefy toy ny tamin’ny taon-dasa» raha araka ny fanazavan’ny Jeneraly Ravalomanana Richard nandritry ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety omaly. Notohizany fa tsy hisy ny fandeferan’ny mpitandro ny filaminana amin’ity indray mitoraka ity. «Efa nihafy izy ireo tamin’ny taon-dasa tamin’ny ompa sy ny faniratsirana ary koa ny fitorahana azy ireo. Amin’ny talata izao dia hohamafisina ny fandriampahalemana ka na ny fivorivoriana tsy nahazoana alalana aza dia horavana ary mety hiafara amin’ny fisamborana mihitsy», hoy ihany ity manamboninahitra Jeneraly ity.
Tamin’ity fihaonana omaly ity ihany koa no nanararaotany nanazavana fa tsy mitombina ny filazana hoe mamo ilay miaramila matin’ny olona tany Fenoarivobe rehefa avy nitifitra olona iray hafa. «Nanao ny asany tsotra izy ary nanasaraka ireo andian’olona niady. Izy indray anefa no notadiavin’izy ireo novonoina, hany ka nampiasainy ny basiny. Be no ho ny vitsy anefa izy dia izao maty izao», hoy ny loharanom-baovao mitovy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.