Actualités

EMMO-Reg Antsirabe Niofana hiatrika ny hetsi-bahoaka


  • Sabotsy 16 Martsa 2013

Taorian’ny sarinady goavana nataon’ny tafika malagasy tany Tongafeno-Vakinankaratra dia anjaran’ny Emmo indray ny nofanina tao amin’ny Akademia Miaramila Antsirabe.

 Fiomanana fatratra amin’ny mety hisian’ny hetsi-bahoaka no nanofanana azy ireo nandritra ny dimy andro be izao, nahitana ireo vondron-tafika avy amin’ny polisim-pirenena sy ny Zandarimariam-pirenena ary ny Tafi-bahoaka tao Antsirabe. Niisa 176 ireo mpitandro filaminana no indray nofanina tamin’izany izay notarihin’ny Kapiteny Randriantsarafara Andry Sedera, lehiben’ny Ivontoeram-piofanana ho an’ny Hery Vonjy Taitra Ivato Antananarivo.

Nambarany tamin’izany fa nizara roa niavaka tsara ny fiofanana ka teo ny fifehezana sy fitantanana ny hetsi-bahoaka ara-demokratika ary ny manodidina ny lalàna mifandraika amin’izany raha teny misy ny tranga. Notolorana mari-pankasitrahana avokoa moa ireo mpitandro filaminana nandray anjara tamin’izao fiofanana izao. Raha tsiahivina dia teto Antananarivo no niandohan’ity fiofanana ity izao mitatra aty Antsirabe izao ka mbola ny tafika Frantsay hatrany no mpiara-miombon’antoka amin’ny fanofanana sy fitarihana ity fiofanana ity tao an-toerana. Raha ny fijery azy dia miomana fatratra amin’izay fihetseham-bahoaka izay indray ny tafika tato ho ato. Asa misy inona manangasanga any ?


Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT