Actualités

Elia Rabevahiny « Efa ho lany koa ny Saphir ao Ilakaka »


  • Alakamisy 25 Febroary 2021

Efa nolavin’ny ampahany maro amin’ny vahoaka any Toliara ny fitrandrahana

 

 

 

saika hataon’ny orinasa Base Toliara izay mikasa hitrandraka fasimainty ao an-toerana ka somary mahagaga ny mahita loholona mamerina indray io resaka io, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko politika Otrikafo izay sady zanatany ao an-toerana, Elia Rabevahiny. Tena mahalala ny filana sy fitakian’ny vahoaka any antsimo tokoa ve ity loholona ity no mbola mahasahy indray mamerina io resaka io ? Tokony hakana lesona ihany koa ny fisian’io orinasa QMM ao Faradofay io nefa tsy lavitra eo ny distrikan’ Amboasary sy Ambovombe izay tena voa mafy amin’ny fisian’ny Kere. Efa ho lany ihany koa ny Saphir ao ilakaka nefa nitondra inona ho an’ny faritra atsimo izany? Ilaina ny famoronana asa any mba hahafana manafoana ny fahantrana sy io resaka Kere tsy mety foana io. Azo atao tsara ny manodina ny orinasa fanodinana simenitra na “cimenterie” any Salary. Itaro ny lemak’i Bas-Mangoky hahafahan’ny olona manitatra ny fambolena vary. Toy izany koa ny lemak’i Bezaha sy ny maro hafa fa ajanony aloha ny resaka Toliara Base io mba tsy hampikorontana indray ny fiarahamonina satria matoa tsy tafavoaka ny fitrandrahana saika hatao dia noho ny tsy faneken'ireo vahoaka tompon-tany ny fitrandrahana, hoy hatrany ny tenany.

 J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT