Actualités

Elakelan-tranon’Ampandrana Tratra ilay rangahy mpivarotra rongony rôrô


  • Talata 21 Jona 2022

Lehilahy iray no voasambotry ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP3 Antaninandro ny omaly alatsinainy 20 jiona 2022 rehefa nahatrarana rongony maherivaika héroine.

Tokony ho tamin’ny 12 ora atoandro raha tsiahivina no nahazo vaovao ny Polisy mahakasika ny fisiana mpivarotra héroine, fantara amin’ny solon’anarana Roro. Tao an’elakelan-tranon’Ampandrana io lehilahy io no tratra . Manoloana izany dia tonga nanao fisafoana teny an-toerana ny Polisy nanao fanamiana sivily. 43 taona moa ity lehilahy ity izay mbola teo am-pivarotana heroine mihitsy. Tamin’ny fisavana azy dia mbola nahitana kokoty miisa 06 tany aminy. Tamin’ny fisavàna ny tranony ihany koa dia mbola nahitana kokoty miisa 02 tao aminy. Raha hatontaly izany dia kokoty miisa 08 no tratra.. Nentina namonjy ny CSP3 izy hanaovana fanadihadiana mialohan’ny hiakarany eo anivon’ny fampanoavana.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT