Actualités

Eklipsa Tena mahajamba, mila solomaso manokana


  • Alakamisy 28 Jolay 2016

Ny fiandohan’ny volana septambra ho avy izao indray no handalo eto amintsika ny eclipse solaire izay hiainga avy any andrefana hihazo ny atsinanana, vokatry ny fanakonan’ny volana ny masoandro.

  Ho antsika eto Antananarivo manokana dia ny ampahany ihany no ho takona. Mety hiteraka  zava-doza izy io ho an’izay tsy mampiasa solomaso  voatokana ho amin’izany. Amin’ny 12 ora antoandro sy 48 minitra eo ho eo izy no handalo eto amintsika, haharitra ora telo sy 37 minitra. Ny 10 Aogositra ho avy izao kosa farafahatarany no higadona eto amintsika ireo solomaso manokana hiarovana amin’ny mety ho fahajambana. Raha araka ny fanazavan’ny profesora  Léa Raobelina,  tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny sampandraharaha misahana ny resaka maso etsy amin’ny hopitaly HJRA mantsy dia tena mahajamba tokoa ny eklipsa. Tanora iray no fantatra fa lasibatra tamin’ny taona 2001 nandalovany farany teto noho ny tsy fanaovany solomaso. Ilay ati-maso izay mandefa ny sary any amin’ny atidoha iny mihitsy no nodoran’ilay taratra mahery vaika avy amin’ny éclipse ka manamaizina tanteraka ny ampahan’izay jeren’ilay olona voany avy eo. Notanterahina omaly tetsy amin’ny minisiteran’ny fahasalamana ny fivoriana fanomanana azy io, izay handaniana vola mitentina 52. 558.000 Ar.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT