Hisy eklipsa na fanakona-masoandro amin’ny volana septambra izao. Efa mitetika indray ireo mpibizina solomaso miaro amin’ny taratry ny masoandro. Asa na ho maizin-kitroka tanteraka amin’io na fanakona-masoandro amin’ny ampahany fotsiny. Na izany na tsy izany dia efa nisy io eklipsa io teto Madagasikara ny volana jona 2001. Taona izay nisian’ny fifidianana nanala tanteraka ny amiraly Ratsiraka Didier Ignace na i Deba teo amin’ny fitondrana nandritra ny 21 taona ary nisian’ny rivo-baovao nentin’i Marc Ravalomanana izay “1er Tour dia vita”. Dimy ambin’ny folo taona aty aoriana dia io indray ny eklipsa izay raha ny fanazavana ara-tsiansa dia hoe : “takonan’ny volana ny masoandro” koa dia maizina na maloka be nefa antoandro be nanahary izao. Raha ny finoana tatsinanana izay kolontsaina Malagasy na dia aty Afrika aza no misy antsika dia midika zavatra hafahafa izy io. Ny ekilpsa dia masoandro marary no dikany, ny masoandro amin’ny Malagasy dia hilazana mpanjaka na olo-malaza na mpitondra ambony eto amin’ny tany sy ny fanjakana na manampahefana, rehefa takona izany ny masoandro dia milaza izany, araka ny fandinihan’ny Ntaolo Malagasy fa hisy zavatra hahazo ny olobe eto amin’ny tany sy ny firenena ary zavatra ratsy io. Izany no nanaovan’ny Ntaolo malagasy fomba ka nisy ny faditra sy sorona natao tamin’izany fotoana. Ho an’ny Afrikanina dia fambara loza koa io eklipsa io. Asa izay hitranga fa izay mahasoa ataon’Andriamanitra fa tsy misy mahafantatra ny ampitso. Inona no entin’io eklipsa amin’ny septambra io ? Ho sanatria ve eklipsa koa ny raiamandreny ? Ry ampitso ô mifono misitery !
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.