Amin’ny 30 jona 2022 no ho tapitra ny fifanarahana eo amin’ny PSG sy i Kylian Mbappé.
Maniry ny hilalao ao amin’ny Real de Madrid ity mpilalao Frantsay vao 22 taona ity, izay tonga tao amin’ny PSG ny taona 2017 niainga avy tany amin’ny AS Monaco. Maniry mafy ny hanohizan’izy sy Neymar hilalao ao aminy ny PSG, “S’il te plait, reste”, hoy i Leonardo Tale ara-panatanjahantena. Hiara-tapitra ny fifanarahan’i Mbappé sy Neymar, saingy tsy mbola fantatra ihany koa ny fanapahan-kevitr’i Neymar. Mikasa mafy ny haka an’i Lionnel Messi, izay ho tapitra fifanarahana amin’ny FC Barcelona amin’ny volana jona ihany koa ny PSG.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.