Actualités

Ejipta Miantso mba hamotsorana ny filoha Morsi i Frantsa


  • Alakamisy 01 Aogositra 2013


Sambany i Frantsa, hatramin’ny nisian’ny fanonganam-panjakana tao Ejipta no niantso ho amin’ny fanafahana ireo gadra politika rehetra tsy ankanavaka, ao anatin’izany ny filoha naongana Morsi, izay tazonin’ny miaramila amina toerana tsy fantatra ao Le Caire. Melohin’i Frantsa ihany koa ny herisetra. Tokony hiverina amin’ny lalana demokratika i Ejipta, hoy Laurent Fabius, minisitry ny raharaham-bahiny frantsay. Etsy andanin’izany dia naniraka Senatera repoblikanina 2 hihazo an’i Ejipta ny filoha amerikanina, Barack Obama, hijery ny tokony hanaovana fifidianana. An-kilany moa dia nambaran-dRtoa Ashton, avy amin’ny Vondrona Eoropeanina fa salama tsara ny filoha ejipsianina teo aloha, Morsi ary mahazo vaovao. Afaka nifampiresaka nandritry ny ora roa ny roa tonta ny talata lasa teo.

ANA

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT