Actualités

Efa tena latsaka anaty lavaka ny Jirama Sarotra vahana ny olana na hogadraina daholo aza..


  • Talata 06 Desambra 2022

Vokatry ny fanaovana tombana ireo mpitantana ao amin’ny orinasa JIRAMA dia nisy ireo tale miisa 3 nadoboka am-ponja, hoy ny antoko politika Otrikafo, tetsy amin’ny foiben’izy ireo etsy Andravoahangy omaly.

Eo koa, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Elia Rabevahiny, ny fanenjehana ireo tale jeneraly miisa 2 teo aloha sy lefitra ankehitriny. Raha jerena maimaika izay dia ohatran’ny hoe tena manao ny asany tokoa ny tomponandraikitra amin’io JIRAMA io. Hoy izahay hoe sao varimbariana isika ka hihevitra fa tena misy fanapahan-kevitra hentitra tokoa raisin’ny tomponandraikitra hamahana io olan’ny JIRAMA io? Iarahantsika rehetra mahalala fa tsy fahampian-tsolika no olan’ny JIRAMA. Manana vahaolana efa narosony nefa ny Otrikafo hoe inona no misakana ny fitondram-panjakana tsy hampiasa io vokatra menaka mavesatra an’ny Madagascar Oil io? Vahaolana maika io. Manana anjara 20% ao isika. Maninona no tsy ampiasaina? Fantantsika fa misy famatsiana na “subvention” amina miliara Ariary atao amin’io JIRAMA io isan-taona fa tsy mahavaha ilay olana ihany. Tsy miaro an’iza na iza izahay fa na higadra daholo aza ny tale rehetra miisa 30 mahery eo anivon’ny JIRAMA hatramin’ny minisitry ny angovo, raha tsy io vahaolana amin’ny resaka solika io no tena raisin’ny fitondram-panjakana dia tsy hivaha ny olana, hoy hatrany ny Otrikafo.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT