Nanezaka mafy ary tena nanao izay faraheriny handresen-dahatra ny mpifidy nandritra ny propagandy ireo kandida nosokajian’ny mpanara-baovao fa kandidam-panjakana dia Atoa isany Hery Rajaonarimampianina, Hajo Andrianainarivelo ary ny jeneraly Camille Vital.
Teboka iraisany ny fananan’izy ireo volabe tena mampiteny ny moana, ny fanaovana hetsika goavana sy fizarana fanomezana amin’ny faritra rehetra izay alehany. Tsy fantatra mazava anefa hatramin’izao ny tena loharanom-bolan’ireo kandida ireo, fa dia novaliany boribory fotsiny hoe : vola avy amin’ny fianakaviana, ny mpanohana sy tsara sitrapo. Tsy mazava ary tsy mangarahara izany. Izy ireo ihany koa dia niray petsapetsa tanteraka tamin’i Andry Rajoelina nanomboka tamin’ny 2009 ka hatramin’izao. Efa tena ampy nitsarana azy ireo ny tetezamita 4 taona, izay nahapotika tanteraka ny toekarem-pirenena, no sady nanimba ny foto-pisainan’ny Malagasy ka namboly toe-tsaina tia manimba sy mamotika. Raha nahavita nanarina sy nampandroso an’i Madagasikara i Hery Rajaonarimampianina dia efa tamin’ny 2010 izy no nanao izany ka nitsinjara araka ny tokony ho izy ny tetibolam-panjakana any amin’ny sehatra izay tena mila azy, namaha haingana ny olan’ny PARAMED, ny mpianatra sy mpampianatra eny amin’ny oniversite, ny mpampianatra FRAM… Resaka mifandraika amin’ny vola daholo mantsy izany rehetra izany, izay tsy mbola milamina hatramin’izao. Mirongatra ny ady tany hatramin’ny fotoana nitantanan’i Hajo Andrianainarivelo ny ministeran’ny fananantany, manjakazaka ny vahiny, maro be ny malagasy mitaraina. Ny jeneraly Camille Vital, izay praiminisitra nandimby an’i Monja Roindefo dia iarahan’ny rehetra mahafantatra amin’ilay toetrany manambony tena sy manao teny mandratra indraindray. Ity jeneraly ity ilay efa namoaka vava hoe : alefaso aty ny tafiky ny SADC fa hanaovantsika fanazaran-tena fotsiny. Tsy mbola mazava koa hatramin’izao ny nampihazakazaka ny jeneraly Camille Vital nijery ireo boaderôzy tratra tatsy amin’ny nosy Kaomoro tamin’ny 2011. Nandritra ny naha praiminisitra azy ihany koa no tena nahery vaika ny fanapenam-bava sy fampidirana am-ponja ny mpanohitra sy nampahery fihetsika ny mpitandro filaminana. Izany olona izany anefa ankehitriny no milaza indray fa hampandroso ny firenena, hono… Nitazam-potsiny ny fanapotehana ny firenena mba tsy ilazana hoe tena nandray anjara tamin’izany izy ireo nandritra ny efa-taona !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.