Tao anatin’ny fanambarana nataon’ny Fadin-tseranana notarihin’ny Tale
Jeneraliny no nanamafisana, fa tsy marina ny filazana fa avy any Mali ireo, ary nisy hosoka ny fanambarana natao tany amin’ny fadin-tseranana. Hosoka ny antontan-taratasy nalefa tany Afrika Atsimo nilazana fa avy any Mali, fa tena avy aty Madagasikara. Nisy ny hosoka sy ny fandikan-dalàna momba ny fadin-tseranana, heloka faratampony (3ème classe), heloka momba ny fehezan-dalàna amin’ny ara-bola sy famotsiam-bola. Nanamafy ihany koa ny Fadin-tseranana, fa tapaka ny “caméra, de surveillance” nandritra ny fanatanterahana ireo pitsopitsony tokony hatao, ary efa nomanina ity heloka ity. Mandeha ny fanadihadiana eo anivon’ny Ladoany momba io fahatapahana tamin’ny fanaraha-maso io. Efa nipetraka mialoha tao anatin’ny fiaramanidina ny volamena. Fakana solika ihany no natao tany Toliara. Ny mpanamory ny fiaramanidina no isan’ny nampiakatra azy, raha ny fanazavana. Tsy voahaja ny paipaika rehetra teo anivon’ny fadin-tseranana. Nalefa any amin’ny Fitsarana avokoa ny sary ilaina rehetra mety ilaina amin’ny fanadihadiana izay hatao. Ny eo anivon’ny Fitsarana sisa manohy ny ambiny, hoy ny eo anivon’ny Fadin-tseranana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.