Efa ho Malagasy 1

3 maty noho ny kalitaon’ny rivotra Manao fanaraha-maso sy tantsoroka ny Amerikanina


  • Alakamisy 15 Desambra 2022

Efa ho Malagasy iray ao anatin’ny telo no maty aloha loatra noho ny loton’ny rivotra iainana. Mampitombo ny tahan’ny aretina sy fahafatesana eto an-toerana ny fiainana anaty rivotra, rano ary tany maloto,

araka ny voafaritra ao anatin’ny Drafitr’Asan’i Madagasikara momba ny Fahasalamana sy ny Fahalotoan’ny Rivotra Iainana. Noho izany, manampy an’i Madagasikara hamantatra kokoa ireo endrika isehoan’ny fahalotoan’ny rivotra iainana sy ny ambana aterak’izany manerana ny Nosy ireo manam-pahaizana manokana avy amin’ny governemanta amerikanina. Nisy ny fanaraha-maso nitety vohitra ny kalitaon’ny rivotra iainana nataona ekipana manam-pahaizana manokana amin’ny sehatry ny tontolo iainana, ny fahasalamana ary ny zon’olombelona notanterahina ny 25 novambra hatramin’ny 8 desambra lasa teo, teto an’Antananarivo hatrany Taolagnaro. Ny Dr. Linda Geiser avy amin’ny Sampandraharaha Amerikana misahana ny Ala sy Dr. Lova Marline avy amin’ny Fikambanana Vahatra – Kew Madagascar Conservation Center no nitarika izany. Nanentana ny amin’ny maha-zava-dehibe ny kalitaon’ny rivotra iainana izy ireo nandritra ireo andiana famelabelaran-kevitra natao tao amin’ny Oniversiten’i Fianarantsoa, American Corner Taolagnaro, ary teto amin’ny Masoivoho Amerikana teto Antananarivo. Nandritra izany, nampirisika ireo olom-pirenena siantifika mba handrefy ny loton’ny rivotra iainana, ary koa ireo fokonolona sy oniversite mba handray anjara amin’ny ezaka fanara-hamaso ny kalitaon’ny rivotra. Nitondra fitaovam-pandrefesana ny kalitaon’ny rivotra, napetraka teo ambony tafon’ny fiara nentiny ny ekipa nahafahany nandrefy ny kalitaon’ny rivotra tamin’ireo faritra nolalovany niainga teto Antananarivo, Fianarantsoa, ary nanaraka ny morontsirak’i Mananjary ka hatrany Taolagnaro. Norefesin’izy ireo ihany koa ny kalitaon’ny rivotra ao anatin’ny faritr’ala tao Ranomafana, sy Manombo ary Nahampoana. Ny tanjona lavitr’ezaka dia ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny Malagasy amin’ny fanangonana ireo antontan’isa ilaina hitantanana ireo loharanon’ny fandotoana ny rivotra iainana, sy amin’ny fiarovana ny fahasalamana sy ny fiveloman’ny mponina. Azon’ny daholobe atao ny mijery mivantana ireo angom-baovao mahakasika ny kalitaon’ny rivotra iainana ao amin’ny tranokalan’ny Masoivoho, amin’ny Twitter, ary ao amin’ny tranonkala AirNow an’ny sampandraharaha Amerikaninaa misahana ny Tontolo Iainana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT