Nalaina maika tany Miarinavaratra-Fandriana i Edmond Rakotomalala, ilay Betsileo mpitsabo
nentim-paharazana nahita ilay vokatra ED1 iadiana amin’ny coronarivus. Nisy olom-panjakana ambony voalaza fa niantso azy an-telefaonina ny harivan’ny alatsinainy 13 aprily 2021 mba hiakatra aty an-drenivohitra. Omaly talata i Ra-Edmond no niala tany an-tananany niazo an’Antananarivo. Fiara manokana miaraka amin’ny mpiambina no nitondrana azy, mba tsy hisy olana dia indrindra amin’ny fiampitana amin’ireo sakana ara-pahasalamana eny amin’ny lalam-pirenena indrindra eny amin’ny manasaraka ny Faritra Amoron’i Mania sy Vakinankaratra ary mialoha ny hidirana an’Analamanga. Araka ny loharanom-baovao dia hanome tanana ara-pitsaboana sy fiarovana ireo olona nomena iraka sy manan’andraikitra mivantana amin’ity ady amin’ny valanaretina coronarivus ity no nakàna maika an’i Edmond Rakotomalala avy any amin’ny misy azy any Fandriana. Voalaza fa isany mahomby iadiana amin’ity valanaretina coronavirus ity ilay vokatra ED1 hitan’ity mpitsabo nentim-paharazana ity ary maro no milaza ary nijoro vavolombelona amin’ny tambazotran-tserasera sosialy facebook fa sitrana tamin’ny fampiasana azy io. Nifandromban’ny olona ny fividianana io vokatra io, ary filaharambe teny amin’ireo toerana mpaninjara azy. Tsy naharaka ny tinady ny tolotra, nisy fiatoana kely mihitsy aza ny fitsinjarana noho ny tsy fahampian’ny tavoahangy kely misy ilay ranom-panafody.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.