Ecoprim

Sitram Niditra an-tsehatra ny dadan-dRajoelina


  • Alakamisy 11 Aogositra 2011

Nahemotra indray ny fotoam-pitsarana ka amin’ny herinandro ambony, amin’ny heriny omaly, vao hiverina hotsaraina ny raharaha Ecoprim sy ny Sitram mampifanolana ny mpandova an’i Herizo Razafimahaleo sy Razafindravahy Edgard.

 Teo anelanelan’izay rehetra izay anefa dia nanaitra ny maro ny zava-niseho. Niditra an-tsehatra tao amin’ny onjam-peon’ny radio tsy miankina Free-FM omaly ny olona iray izay nilaza fa rain’ny filohan’ny FAT. Nohazavainy avy hatrany fa lainga avokoa no nafafy momba iny raharaha iny. Niteny anarana mihitsy aza moa izy dia ny mpanentana teo anivon’io onjam-peo io izany. Nambarany fa lainga ary tsy misy afa tsy lainga no afafin’io farany. Raha ny tsikaritra aloha tamin’ity raharaha ity dia ny adin’ny onjam-peo roa samihafa no tena nisongadina. Samy mifanaratsy amin’izay mety antsoin’izy ireo ho famakafakana ary mifamaly hafatra isan’andro. Saingy omaly kosa rehefa niditra an-tsehatra ity olon-dehibe iray dia nangina avokoa ny rehetra, tsy dia nisy nambara intsony. Asa raha mety hisy akony eny amin’ny fitsarana ity fidiran’ny rain-dRajoelina tamin’ny onjam-peo ity. Amin’izao mantsy dia lasa ity raharaha Sitram sy Ecoprim ity indray no tena manintona ny sain’ny maro mba hijerena izay tena hironan’ny FAT satria samy manodidina azy ihany ireo mpifanolana...

 

Samy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT