Actualités

Ebakika-Tolagnaro “Bois de rose” miisa 35 amin’ny 4 metatra tra-tehaka


  • Talata 06 Septambra 2011

Sinema ve sa tena izy ? Io no fanontaniana apetraky ny mponina ao an-drenivohitry ny Faritra Anôsy raha naheno fa bolabola na «bois de rose» 35 isa manana halava 4 ka hatramin’ny 5 metatra tsirairay avy indray no tra-tehaka tany Ebakika, Kaominina ambanivolo Mahatalaky, distrikan’i Tolagnaro.

 Fanomezam-baovao avy amin’ny mponina any an-toerana no voalaza fa nahatrarana ireto hazo sarobidy ireto. Vao naheno ny vaovao ny tao amin’ny Faritra sy ry zareo tao amin’ny sampandraharaham-paritra miadidy ny tontolo iainana sy ny ala dia nidina avy hatrany tany an-toerana, niaraka tamin’ny mpitandro ny filaminana. Nitarika ny “opération” ny lehiben’ny Faritra Anôsy, ary dia tra-tehaka tokoa ireo hazo sarobidy ireo. Tany anaty fotaka no voalaza fa nanitrihana ireo hazo. Nentina niakatra ao Tolagnaro ireo bolabola ireo, ary natoby ao Ampasikabo misy ny sampandraharaham-paritra miadidy ny tontolo iainana sy ny ala amin’izao fotoana izao. Nosokafana ny fanadihadiana, ka ho hita eo ihany ny tohiny. Matetika ihany izay nahenoana trafikana andramena izay tany amin’iny Faritra Anôsy iny sy ireo olona voarohirohy tao anatin’izany izay efa niteraka savorovoro tany an-toerana mihitsy, saingy nangingina ho azy teo.

 

Natiora OTH

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT