Actualités

Durlin Retogniane “Tokony hitandrina amin’io werawera fotsiny io ny fitondrana ”


  • Alarobia 23 Novambra 2022

Nisarika ny sain’ny be sy ny maro ny fitsenana mpandray anjara tamina fifaninanana iray tany Morondava satria nanetsiketsehana olom-panjakana,

mpitandro filaminana, eny, hatramina minisitry ny fanatanjahantena sy ny tanora mihitsy, hoy ny mpanao politika, Durlin Retogniane. Tonga tany an-toerana mihitsy niaraka tamin’ny solombavambahoakan’I Morondava izany minisitra izany, hoy izy. Endrika tsy firaharahiana vahoaka amin’ny ankapobeny ny fahitanay ireny. Olona tokana nisolo tena ny faritra nandray anjara tamina “télé réalité” eto no resaka. Misy fifaninanana avoavo kokoa anefa, raha tsy hiresaka afa-tsy ny aty amin’ny ranomasimbe indianina isika. Eo koa ny aty amin’ny sehatra afrikanina ary ny manerana izao tontolo izao. Matetika misy atleta malagasy mandray anjara amin’ireny nefa tsy nakotrokotroka toy ireny ny fandraisana azy ireo. Atleta miisa 2 izao, raha tsy diso aho, teo amin’ny taranja Kick boxing no nibata fandresena ary nisolo tena iny faritr’I Menabe sy Morondava iny fa tsy nisy fitsenana toy ireny. Fa maninona ireo nanandratra avo ilay faritra no sady voalohany nefa tsy nakotrokotroka no nandraisana azy fa ilay nanao “télé réalité” izay sady tsy voalohany indray no noraisina toy ny filoham-pirenena mihitsy? Tsy sanatrian’ny vava fialonana satria hoe tanora ny tena fa hita hoe misy mizana tsindriana ila ao. Etsy ankilany, misy koa ireo olana ara-tsosialy izay mahazo ny tany sy firenena, indrindra, nahazo iny Menabe iny. Teo ny asan-dahalo, ny trafikana maso, ny delestazy, izay nampiaka-peo ny depioten’I Morondava mihitsy tamin’ireny. Nankaiza ny fitondram-panjakana hijery izany olana izany akaiky? Misarika ny sain’ny fitondram-panjakana izahay mba hijery akaiky ny tena olana mianjady amin’ny vahoaka satria misy fiantraikany amin’ny fihetsem-pon’ny vahoaka ny werawera fotsiny ka mety hahatonga fitrorana toy ireny niseho tany Marolambo ireny, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT