Actualités

Durlin Retogniane “Natao inona ireo sarin’ady tetsy sy teroa ireo ?”


  • Alarobia 08 Jona 2022

Manoloana ny firongatry ny fakana zazavavy tanora nisesisesy tato anatin'ny herinandro vitsivitsy dia mampametra-panontaniana hoe natao inona foana ireny sarin’ady na "simulation"

betsaka mikasika ny fandravana olona mpanao takalon'aina tetsy sy teroa ireny, hoy ny mpanao politika, Durlin Retogniane? Ho avy ity ny fankalazana ny fetim-pirenena amin'ny 26 jona dia hanao "simulation" sy fampisehoan-kery na "démonstration" indray ireo mpitandro ny filaminana etsy amin'ny kianjaben'i Mahamasina, hoy izy. Menatra aho ry fireneko.Tsy tokony fotoana ve izao hampiharana ireny "simulation" ireny fa mila hetsika na "action" ny vahoaka? Tsy fotoana ve izao hanaovana "action" amin'ny resaka fakana olona ity amin'izay mba "simulation" fotsiny no atao rehefa tonga ny fankalazana ny 26 jona? Mitaintaina loatra ny vahoaka. Tsy andro, tsy alina. Hatao ahoana ny ho fankalazana izany fetin'ny 26 jona izany raha mbola manjaka ny tsy fandriampahalemana manerana ny Nosy? Miangavy ireo mpitandro ny filaminana mba hampiasa ny fahaizan'izy ireo fa fotoana izao tena ilana anareo fa tsy handrava fihetsiketsehana eny Analakely fotsiny no itadiavana anareo tompoko, hoy hatrany ity mpanao politika ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT