Lasa lamaody eo amin’ny tontolon’ny fitakiana ny sendikaly ny fanaovana diabe mihodidina ny toeram-piasana na koa ny ministera.
Mialoha ny hisarahany tetsy Anosy omaly antoandro dia nilahatra nihodina ny lapan’ny fitsarana nihazo ny arabe eo anoloan’ny hotely Carlton ary niverina teo anoloan’ny Ministeran’ny fanabeazana izay toerana fiaingana rahateo ireo mpampianatra mpanabe ao amin’ny SEMPAMA. Tsy vitan’izay fa ny tolakandro dia nifamotoana teny Analakely saika hanakatona ny biraon’ny DREN izy ireo saingy tsy tanteraka izany rehetra tsy tao an-toerana ity farany. Ny fandrahonana mahazo ny mpampianatra sy ny fanapahana karaman’ny mpampianatra FRAM sasany ary koa ireo «contractuel» izay natsahatra ny fifanarahana arak’asany noho izy mitokona no saika hanaovana io hetsika io raha ny fanazavana nomen’ny mpitarika.
Hatreto aloha dia tsy mbola mihevitra ny hiverina hampianatra ireo mpitokona etsy Anosy izay tsy afa-po amin’ilay fanomezana tambinkarama 50.000 Ariary. Raha ny fanadihadiana nataon’izy ireo aza dia misy amin’ny mpanabe sasany no tsy nahazo io vola io akory. Momba ny datim-panadinana ara-panjakana izay tazonina amin’ny tetiandro efa voalahatra dia milaza ny mpandrindra nasionalin’ny SEMPAMA, Raharovoatra Claude, fa mila ifampidinihana miaraka amin’ny teknisiana eo anivon’ny ministera ny datinandro hanatanterahana izany rehefa miverina amin’ny laoniny ny fampianarana. «Efa hatramin’ny 07 febroary anie no tsy nisy fampianarana tany amin’ny faritra sasany ka nahoana no atao tery vay manta fotsiny e ?”, hoy izy
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.