Haharitra 15 taona ny drafim-pidiovana lasitra na ny “schéma directeur
d`assainissement” (SDA) ho an` Antananarivo eo anivon` ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Na dia miompana kokoa amin` ny fanadiovana ireo tatatra sy ny fitantanana ny rano maloto sy ranon` orana ny SDA dia tafiditra ao amin` ity drafitra ity ny fandrindrana ny tanàna, ny voka-dratsy aterakin` ny hamandoana, ary ny fambolena. Isan`ireo laminasa koa ny fitantanana ireo fako an-tanan-dehibe sy ny ady amin` ny fahaloton` ny rivotra. Ity fandaharanasa ity dia vatsian` ny firenena frantsay, amin` ny alalan` ny AFD (Agence Française de Développement), sy ny Vondrona Eoropeana vola mitentina 136 miliara ariary. 18,2%n` ny famatsiana kosa dia avy amin` ny Fanjakana Malagasy.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.