Dr Saina Michel

> Esory koa ireo minisitra manohana kandidŕ


  • Alarobia 04 Septambra 2013

Mahatsapa ny Dr Saina Michel, lehiben’ny Faritra Analanjirofo teo aloha, fa misy fitanilana eo amin’ny fitondrana.

Vao herinandro vitsivitsy izay no nesorina tamin’ny toerany ireo lehiben’ny Faritra, anisan’izany ny tenany noho ny fanohanana ny kandidà Hajo Andrianainarivelo. Miharihary anefa ny fisian’ny minisitra am-perinasa manatrika ny kandidan’ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina tany Fianarantsoa. Takian’i Saina Michel noho izany ny fanesorana tsy misy hatak’andro ireo minisitra manohana ny kandidà Hery Rajaonarimampianina ireo, lohalaharana amin’izany i Harry Laurent Rahajason, minisitry ny serasera. Toy izany koa i Reboza Julien, minisitry ny rano. “llaina izany raha tena mangarahara sy madio ary mazava ny fitondrana”, hoy izy. Tsikerainy koa ny tombony omena ny kandidam-panjakana ao amin’ny TVM satria nahazo sehatra malalaka tamin’ny vaovao an-tsary ity farany raha rarana na ampaham-potoana kely no azon’ny mpifaninana hafa. Nampiany fa manana fiandaniana ny FAT izay tokony hanaisotra izay rehetra manohana kandidà mibaribary nefa mbola mijanona amin’ny toerany.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT