Actualités

Dr Rakotovelo Geostin Milazŕ ny marina ianareo mpanao gazety


  • Alakamisy 14 Aprily 2011

Nampiaka-peo ny Dr Rakotovelo Geostin mpampianatra mpikaroka sady filoha lefitra nasionalin’ny Seces Mahajanga raha nanontanian’ny mpanao gazety ny amin’ny feo mandeha eny rehetra eny fa tia tena sy mampijaly ny taranaka Malagasy ny mpampianatra Seces, efa mampianatra any amin’ny Oniversite tsy miankina nefa mbola mitaky volabe hatrany, toy ny tambinkarama sy ny ora fanampiny.

“Ny mpampianatra mpikaroka dia tsy mitovy amin’ny mpiasam-panjakana fa afaka mampianatra foana na dia lasa filoham-pirenena aza”, hoy ity dokotera ity. Efa hatramin’ny Repoblika voalohany izany lalàna izany no nihatra ka tsy mandika lalàna ny mpampianatra ety amin’ny ambaratonga ambony raha mampianatra eny amin’ny Oniversite tsy miankina. Aoka hivoaka ny marina, sahia ianareo mpanao gazety mamoaka ny marina, hoy izy. Betsaka ny soso-kevitra hoenti-manatsara ny fampianarana eto Madagasikara no miainga avy amin’ny mpampianatra mpikaroka. “Ny ankamaroanay ireo dia manam-pahaizana be sy be karama be mihitsy tany ivelany tany saingy nody an-tanàna noho ny fitiava-tanindrazana nefa rehefa tonga taty dia misy zavatra hoenti-miasa tsy vonona”, hoy hatrany ny Dr Rakotovelo Geostin.

Folo taona lasa izay no nitakianay ny hananganana ny “Conseil National de l’Education et Recherche” mba handrindra ny fampianarana manontolo eto amintsika miainga any amin’ny “Jardin d’enfant” ka hatrany amin’ny “Doctorat”, folo taona aty aoriana ny, tsy nisy minisitra na iray aza nanatanteraka azy io”, hoy izy nanohy ny teniny. Nambarany fa fitsinjovana ny zanaka Malagasy no nataon’ny mpampianatra namita ny adidiny namarana ny taom-pianarana sy nanao fanadinana fidirana vaovao eny amin’ny oniversite nefa dingana iray aza tsy mba nataon’ny fanjakana. Lazao ny marina fa taiza no mbola nisy oniversite tsy manana tetibola hampandehanan-draharaha izany ? Ary ny kajy rehetra tamin’ny ora fanampiny takianay ka nilazana anay ho mpangalatra anie ka mandalo fanamarinana be dia be hatrany amin’ny ministera mpamoaka vola ê ka aiza amin’izany no misy ny fangalarana ? Moa ve manapotika zanaka Malagasy izany, hoy ny Dr Rakotovelo Geostin namarana ny teniny.

 
Manohy
 
SARY : Dr Rakotovelo Geostin

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT