Manana ny heviny amin’ireo fampielezan-kevitra sy fidirana amin’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena izao ireo olon-tsotra mpanara-baovao politika sy ny fiainam-pirenena.
Ho an’ny Dr Rakotomalala Harry, izay mihaino sy mijery ary mitafa amin’ireo mpiara-belona aminy, sy ireo marary tonga ao aminy, ary ireo mpiray fiangonana amin’ny maha filoham-piangonana iray azy ao Toamasina, dia tena malagasy marina ny olona tokony ho filoham-pirenena eo. Olona tena tia tanindrazana marina sy saro-piaro amin’izany, olona tsy tia tena sy tsy tia vola ka hangalatra ny volam-bahoaka fotsiny ka hivarotra an’i Madagasikara amin’ny vahiny. Raha ireo monja no tanteraka dia handroso i Madagasikara sy hanankarena ny Malagasy amin’ny asany sy ny haren’ny taniny. Ankoatra izay, dia nohamafisin’ity mpitsabo ity, fa mila filoha manam-pahaizana ny firenena, koa “fotoana tokony hijoroan’ny manampahaizana Malagasy koa izao, raha tsy izany dia mpiray tsikombakomba amin’ny famarinana an-kady an’i Madagasikara izy ireo”. Efa miharihary mantsy, hoy hatrany ny Dr Rakotomalala Harry, fa misy firenen-dehibe mampiasa ny volany sy ny olony mba hiarovana ny fihariany sy ny tombontsoany eto, ka mila mahay mifidy olona tsy azo vidiana sy tsy ho saribakolin’ireo vahiny ireo ny mpifidy.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.