Nanaitra ny zava-nitranga tao Mahamasina omaly tolakandro mialoha ny fotoana nisokafan’ny Afrobasket Men 2011.
Tokony ho tamin’ny 4 ora teo dia vory lanona ivelan’ny Lapan’ny Kolotsaina sy ny Fanatanjahantena ireo tompon’andraikitry ny harofenitra samy hafa. Torak’izany ihany koa ireo mpiambina olona ambony maro. Nandrasana fatratra tamin’io ny fihavian’ny Praiministra Camille Vital mba hanokatra amin’ny fomba ofisialy ny lanonana. Naneno ny anjombona tany ambadika tany. Samy nivonombonona ny rehetra mba handray ity olona ambony. Tsy nifandrenesana ny kiririoky ny mpandrindra ny fifamoivoizana mandodona ireo fiara mitaredretra. Nisokatra àry ny vavahady ary indro môtô iray amin’irony mpialoha lalana ny filoham-panjakana irony no niditra voalohany. Nahitana ihany koa miaramila mirongo basy nihazakazaka nialoha lalana.
Rehefa izany dia nanaraka ny fiara nitondra ity manam-pahefana nandrasana. Narahin’ny fiara roa hafa feno mpiambina mirongo fiadiana izany. Nony nijanona ny fiara dia indro nidina ny Dr Leonardo Simao, ilay mpanelanelana politika ao amin’ny vondrom-paritra SADC. Teratany mozambikanina io vahiny io ary niaraha-nahita fa nifandona tamin’ny mpilalao basikety mozambikanina ny ekipam-pirenena Malagasy omaly hariva. Hanatrika izany angamba no anton-dian’ingahy mpanelanelana tao Mahamasina. Nanasa azy mba hanatrika ny lalao rahateo ny mpitondra malagasy.
Tsy fahita firy anefa io tranga iray omaly io ka mahavelom-panontaniana ihany. Ny olom-panjakana ambony tonga manatanteraka iraka ofisialy ihany mantsy no atao toy ireny an’ny Dr Leonardo Simao omaly ireny. Izy anefa tsy olom-panjakana ambony mbola am-perin’asa any amin’ny firenena misy aza fa solontenan’olon-kafa (Joachim Chissano) no mivahiny eto an-toerana. Tsy vitan’izay fa mpanelanelana noho ny olana politika iainan’ny firenena vokatry ny fanonganam-panjakana tamin’ny 17 martsa 2009 izy. Noho izany, tokony hisy ny elanelam-panahy eo amin’ny fifandraisany amin’ny sokajin-kery politika mifanandrina eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Ny tranga omaly dia toa mampiseho fa mpiray petsapetsa amin’ny fitondrana mbola tsipahin’ny vondrona iraisam-pirenena ny mpanelanelan’ny vondrom-paritra SADC.
Nangonin’i Jean D.
Sary : Dr Leonardo Simao nigadona teny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahatena Mahamasina omaly
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.