Mahaliana ny mpanara-baovao ny tontolon'ny fitrandrahana solitany sy ny politika amin'izao. Samy manana ny heviny sy fahitany izany ny olom-pirenena. «Hampandroso antsika sy ho lasa firenena matanjaka i Madagasikara raha voarindran'ny mpitondra ny fitantanana ireo solitany azo vokarina 53 miliara barily teo amintsika», hoy ny Dr Rasolovoahangy Emma Roseline, manampahaizana manokana momba ny solitany.
Nefa mety hatahorana hiteraka ady an-trano izany raha mbola manjaka ny kolikoly sy ny rafi-pitantanana manome sehatra ny gaboraraka sy ny tsy maty manota. Ny fahitany ny fahasahiranam-bahoaka no nanosika ny tenany nanangana ny fikambanana EMMA (Ezaka Marina Mampandroso Antsika), ny aprily 2012, izay fikambanana manome sehatra hatrany ny vehivavy sy ny miralenta, handray anjara sy ho hery ary ho tosiky ny fampandrosoana ny toekarem-pirenena hiadiana amin'ny fahantrana. Nomarihany fa aorian'ny fifidianana solombavambahoaka izay handraisan'ny fikambanana anjara manerana ny Nosy dia handrotsaka olona hofidiana Ben'ny tanàna sy sefo Fokontany ihany koa ny EMMA, satria io no heverin'izy ireo, fa fifidianana manakaiky kokoa ny vahoaka, ary fototra iray hisian'ny fampivoarana miainga avy any ifotony. Nanentana ny mpiray tanindrazana aminy ny tenany handeha hifidy satria adidy masina ho an'ny tanindrazana. “Aza manaiky hovidim-bola ny safidinao, fa ny fandaharan'asan'ireo kandida no fakafakao raha hampandroso marina, satria zava-dehibe amin'ny hoavin'ny firenena ny vato iray harotsakao”, hoy izy.
E.R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.