Dr Elie Rasoanaivo

> Mitohy ny asa fampandrosoana na tsy voafidy depiote aza


  • Talata 18 Febroary 2014

Dokotera mpandidy nanasoa ny mponina tany amin’ny Faritra Alaotra nanomboka ny taona 2000 i Dr Elie Rasoanaivo.

Niavaka tamin’ny rehetra ny lehilahy satria tena nampihariny ara-bakiteny ilay hoe : “Ny marary andrianina”. Izy no vy nahitana sy angady nananana ny fanitarana ny hopitaly tao Ambatondrazaka. Nitondra ezaka lehibe koa ny tenany teo amin’ny fampandrosoana ny fanatanjahantena tany Alaotra, indrindra tao amin’ny Distrikan’Ambatondrazaka. Fony izy lany ho solombavambahoaka ny taona 2008 dia niadiany mafy ny mahakasika ny fanatsarana ny lalam-pirenena faha-44 sy ny fikarakarana ny sehatry ny famokarana. Indrisy anefa fa herintaona ihany dia tapaka ireo vinam-pandrosoana saika hapetrany hampandrosoana ny Distrikan’Ambatondrazaka. Tsy kivy anefa ny lehilahy fa mbola mijoro ihany ankehitriny mikaroka ny hevitra rehetra hampandrosoana ny Distrikan’Ambatondrazaka. Nambarany fa miarahaba azy mianadahy izay mpifaninana taminy izay lany ho solombavambahoaka ao amin’ny Distrikan’Ambatondrazaka ny tenany ary mirary soa azy ireo hahavita be eo amin’izany andraikitra makadiry izany. Vonona hifanome tanana amin’ireo rehetra mila azy ny tenany eo amin’ny fampandrosoana ny firenena, indrindra ny Faritra Alaotra Mangoro.

 

Niry A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT