Actualités

Dosie filatsahan-kofidiana Miova am-pandehanana ireo fepetra


  • Alarobia 17 Aprily 2013


 12 andro aty aorian’ny fisokafan’ny fametrahana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana dia nanisy tovana amin’ny dosie ilaina indray ny CENI-T mitaky sarin’ilay kandida manokana sy sary famantarana ny fikambanana na antoko manohana azy. Voatery hameno ny banga indray, araka izany, ireo kandida fito mianadahy efa nanatitra ny dosieny tao amin’ny firaketan-draharahan’ny fitsarana manokana misahana ny fifidianana mandritra ny tetezamita na CES izay manana ny foiben-toerany etsy Ambohidahy.

Mampahatsiahy ny zava-nitranga tamin’ny 17 novambra 2010 ity tranga ity. Ny andron’ny latsabaton’ny fitsapan-kevi-bahoaka momba ny lalàmpanorenana mantsy dia niova tampoka koa ny fepetra ka nambara fa azo ifidianana mahasolo ny karapanom-pirenena ny karinem-pokontany. Misy koa izao ny vinavina hampandoavana anto-bola efatra hetsy Ariary isaky ny kandida na lisitra kandida amin’ny fanotana bileta tokana, ka averina ny vola raha mahazo 10%-n’ny vato manankery ilay kandida amin’ny fifidianana. Miovaova am-panidinana e !

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT