Actualités

Doro tanety, famotehana ny tontolo Nampaneno anjomara ny Pr Jonah Ratsimbazafy


  • Alarobia 25 Novambra 2020

Teo foana ny kere sy ny doro tanety tamin’izay fitondrana nifanesy teto amintsika.

 

 Naneho hevitra momba an’io ny Pr Jonah Ratsimbazafy Mpampianatra Mpikaroka. Tsy hanao resaka hifanome tsiny eto no tena anton’ny resaka ho atao ka ny ny olona hanome tsiny ny Fitondrana hoe: “Ahoana ity afo miredareda be manerana ny nosy ity… Aiza izay “Zero tolérance” amin’ny fandoroana ny ala… Ary ny Mpitondra hanipy ny tsiny ho an’ny Mpiaro tontolo iainana hoe: Ianareo no mahazo ny volabe avy any ivelany ka tompon’andraikitra amin’io doro-tanety, izay mety misy fahamarinany amin’ny ampahany, kanefa matoa ny mpamatsy vola miaro ny tontolo iainana, lasa ny tsy miankina no omeny vola ampahany be hiarovana ny tontolo iainana, dia nisy antony ihany tao teo amin’ny resaka fitantanan’ny mpitondra fanjakana, ka tokony hamerina izay fitantanana tsara (bonne gouvernance – transparence) izay aloha ny Fanjakana ho Fanamby an’ireo izay mpamatsy vola, hoy izy. Mba firy isan-jato tamin’ny ireny zana-kazo nambara fa 60 tapitrisa ireny moa no velona ary tsy ravan’ny afo?

 MISY NY FIRAISANA TSIKOMBAKOMBA

Vao tonga avy nitsidika ny alan’i Manombo Farafangana izahay tamin’iny herinandro iny, hoy  ny Pr Jonah Ratsimbazafy ka sady nalahelo mahita fa saika isan’andro dia mirehitra ny Reserve Spéciale ao, kanefa mba efa tena tsy nisy intsony izany nandritry ny taona maro nanaovanay fanentanana sy asa fanampiana ny velon-tenan’ny mponina. Misy mpitantana ny ala sy tompon’andraikitra mijery mivantana ny zava-misy… Mba renay ihany ny siosion-dresaka fa rehefa midina mijery…. Tena ahomby ve ny fampiasana “drone” sa tsia . Maro anie no mahafantatra izao zava-mitranga any avaratra izao fa tsisy sahy miteny ny olona. Koa diso ary ve ny Filoha Rajoelina raha nanao ny Velirano fa ataontsika ho maintso indray Madagasikara? Tsia dia tsia, saingy raha mbola ireo “Chef cantonnement” efa mifandray tendro an-taona maro ireo no mbola eo fa tsy hovaina malaky dia aleo tsorina fa tsy ho lasa maintso izany velively ity nosy ity fa manjary mifamitaka eto fotsiny isika, hoy io Mampianatra mpikaroka io, izay nanentana ny tsy handoroana ny tanety.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT