Actualités

Doro tanŕna tao Mandraka Andraikitry ny Emmo-Reg ?


  • Talata 26 Aprily 2011

Miteraka resa-be mandraka ankehitriny ao Toamasina ilay doro tanŕna nitranga tao Mandraka sy Ambodiampaly, herinandro lasa izay.

Mifamahofaho be ihany ny resaka manodidina ny antony nahamay ny tanàna. Andaniny ny Emmo-reg dia milaza fa nomena iraka handrava ny fitrandrahana safira tsy ara-dalàna tao amin’ireo tanàna ireo. Tora-bato sy sakan-dalana no nitsena azy ireo nony tonga tany. Ankilany indray anefa ireo mpitrandraka safira izay voatery tsy maintsy niala tao, dia misy milaza fa dia ny Emmo-reg no tompon’antoka tamin’ny doro trano tao Mandraka sy Ambodiampaly, mba tsy hahafahan’ireo mpitrandraka safira mijanona ao intsony.

Ny zava-nisy dia kila hatrany amin’ny 80% ny tanàna. Tsy mbola fantatra mazava ny tentim-bidin’ny entana main’ny afo. Nisy olona dimy no voasambotra ary eo am-pelatanan’ny zandary amin’izao fotoana anaovana famotorana. Anio no mety hampiakarana azy ireo eny amin'ny fampanoavana. Ny ankamaroan’ireo mpitrandraka very asa kosa dia mameno sisin-dranomasina ao Toamasina.
Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT