Actualités

Doro ala sy tanety 1700 isan’andro ny tebok’afo


  • Alakamisy 20 Oktobra 2022

Ao anatin’ny iray andro misy tebok’afo hatrany amin’ny 1700. Manodidina ny 500 mahery amin’izany ao anatin’ny faritr’ala avokoa, raha ny tatitra nataon’ny Centre de Commandement hiatrehana ny ady amin’ny fahamaizan’ny

 tanety sy ny ala na CCO Feu omaly. Ho an’ny valanjavaboahary 112 eto Madagasikara, dia efa nandalovan’ny afo avokoa ny 54. Tandindondonin-doza avokoa ny faritra arovana, any andrefana tahaka ny tany Soalala, ny afovoan-tany,… eny ny faritra rehetra. Nilaza ny Tale Jeneralin’ny Madagascar National Parks fa eo ny asan-dahalo izay mety mandrehitra tanety, eo ny tsy fandriampahalemana, fa sao ihany koa noho ny vanim-potoana manakaiky fifidianana. Azo atao ny mieritreritra fa misy ny hetraketraka, hoy ny fanamarihana. Fifandrifian-javatra ve ny hoe: miara-mirehitra Ankarafantsika sy ny faritra rehetra manerana ny Nosy? Mahalasa saina, hoy ny Filohan’ny CCO Feu izay sady Talen’ny BNGRC na Birao misahana ny loza sy ny tandindon-doza Jeneraly Elack Olivier Andriankaja. Notsipihiny fa tsy ampy ny fitaovana hoenti-mamono ny afo satria fitaovana tsotra sy madinika no ampiasaina fa tsy manana an’ireny lehibe toy ny “engins” samihafa ireny isika. Isan’ny nanao antso moa ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena tamin’ny fanokafana ny fivorian’io andrim-panjakana io, fa tokony hampitomboana ny tetibola hoenti-miatrika ny doro ala misesy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT