Actualités

Donak'afo : Migrevy ny be vola ?


  • Alarobia 06 Martsa 2013

Azo hamintinana ny tsy fitoviam-pijery sy fahasamihafan’ny vina eo amin’ny mpampiasa sy ny mpiasa ny zava-misy ao amin’ny banky BFV SG ankehitriny.

 Miverina mitokona indray ny mpiasa satria, tsy nisy voavaly ny fitakiana ara-tsosialy nataon’izy ireo, anisan’izany ny fampisondrotan-karama. Nambaran’ireto mpiasa ireto anefa fa manam-bola tsara nividianana fitaovana maro ny orinasa, ka nahoana kosa ary no tsy misy vola hampisondrotana ny karama ? Raha ny tsiliantsofina re dia efa elaela ihany no nimenomenona mangina ny mpiasan’ity banky iray ity, ka rehefa tsy tanty intsony vao niroso tamin’ny fitokonana hanamafisana ny fitakian’izy ireo. Tsy nanda no sady tsy nanaiky io fitakiana io aloha hatramin’izao ny mpitantana ao amin’ny BFV ary milaza fa ny fifampidinihana ihany no hahafahana mikaroka ny vahaolana. Raha ny fahitana ireo mpiasa mitokona anefa, dia sarotra ihany ny mino fa hanaiky mora foana ny hiverina hiasa izy ireo raha tsy misondrotra ny karama.

Tsy azo sokajiana hoe olona sahirana izany mpiasan’ny banky izany, ary ny olona miresaka etsy sy eroa aza dia manao vazivazy hoe : efa tena mafy ny krizy matoa migrevy koa ny tompon’ny vola e ! Na izany aza, mety manana ny zavatra marary azy izy ireo matoa mihetsika tahaka izao. Mety misy ihany koa ny tsy rariny mitranga amin’ny fanapahan-kevitra na mahita ireo mpiasa fa tsy manaraka ny lojikan’ny zava-misy ny laharampahamehana napetraky ny mpitantana ny orinasa. Raha nitokona ny Paramed, ny mpitsabo, ny mpampianatra, ny mpitsara, ny administratera sivily, ny mpianatra sy ny mpampianatra teny amin’ny oniversite dia nandeha foana ny feo fa toa hoe misy ambadika politika, hono, ny fitakiana. Ka asa indray ny momba ity fitokonan’ny mpiasan’ny BFV SG ity, tena fitakiana sosialy madiodio ve ?

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT