Actualités

Donak'afo : Kodiaran-tsarety


  • Alarobia 13 Martsa 2013

Tsy dia be resaka raha nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety omaly Rtoa Lalao Ravalomanana. Nambarany fa tena mbola mifantoka tanteraka any amin-dreniny marary mafy eny amin’ny hopitaly ny fony sy ny sainy.

 Efa-taona latsaka kely aty aoriana izany dia tafaverina an-tanindrazana ny vadin’ny filoha teo aloha, efa nialoha lalana azy ihany moa tamin’ny herintaona ny zanany lahiaivo. Fitsidihana noho ny lafiny maha olona fa tsy misy ambadika politika mihitsy araka ny fifanarahana natao izy ity. Na izany aza anefa dia manana ny fomba fahitany izao zava-mitranga izao ny tsirairay avy, ary efa misy sahady ny mahita fa fambara zavatra io nahafahan’i Lalao Ravalomanana niditra teto Madagasikara io. Ny tsikaritra hatry ny omaly dia velom-bolo ireo mpitolona manohana ny filoha teo aloha, tahaka ny nohavaozina izany ny finoana tao anatin’izy ireo, ary vao miha resy lahatra ireo zanak’i Dada fa tsy maintsy ho tafita ny tolona.

Tsy midika velively izany fa havadika politika ny fahatongavan-dRamatoa Lalao Ravalomanana eto, fa kosa nanova ary tsy maintsy hanova zavatra eto. Fantatry ny ankolafy Rajoelina tsara izany ka izay no saika tsy naneken’izy ireo mihitsy ny hidiran’i Madama eto, ary nandroahana azy tahaka ny olon-dratsy teny Ivato tamin’ny 27 jolay 2012. Tsy misy tompon’ny fotoana sy mahalala izay havoaky ny ampitso anefa, ary araka ny nambaran-dRamatoa Lalao Ravalomanana omaly dia tena fitondran’Andriamanitra no nahatonga azy eto ary mbola ankininy amin’Andriamanitra ny ho tohin’ny fandaharam-potoany rehetra. Niezaka hatrany ny hanilika ny fianakaviana Ravalomanana i Andry Rajoelina hatramin’izay nandrombahany fahefana izay. Tsy nety tanteraka mihitsy anefa izany fa dia teo hatrany, nisy mpanara-dia hatrany, ary nanana ny toerany foana teto an-toerana sy tany ivelany izany Marc Ravalomanana izany. Tsy vitan’ny FAT ny nanapotika an-dRamose tao anatin’ny efa-taona, ary raha ny fahitana azy izao dia manomboka efa mihodina ny kodiaran-tsarety.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT