Actualités

Donak'afo : Fanapahan-kevitra feno fahendrena


  • Talata 12 Febroary 2013

Araka ny fanambarana ofisialy nataony omaly alatsinainy tao Vatican dia nametra-pialana ny Papa Ray Masina Benoit XVI, rehefa nahatsapa tena, araka ny taratasy nosoratany fa tsy ananany intsony hery sy ny tanjaka hitantanana ny Eglizy Katolika Rômana.

 Hihatra manomboka ny 28 febroary amin’ny 8 ora alina ora any Roma io fametraham-pialany io, ary aorian’izay dia tsy maintsy hisy indray ny fivoriana lehibe sy ny fifidianana izay hitantana ny Eglizy Katolika. Rehefa avy nandini-tena lalina sy nivavaka aho dia hitako fa fahendrena ny fametraham-pialako, hoy ny Papa Ray Masina na Joseph Alois Ratzinger amin’ny tena anarany feno. Teratany alemana ny Papa Ray Masina Benoit XVI ary tamin’ny 19 aprily 2005 izy no teo amin’ny fiketrahana masina raha nandimby an’i Jean Paul II. Voalohany teo amin’ny tantaran’i Vatican sy ny Eglizy Katolika no nisy Papa Ray Masina nametra-pialana izany, fa ny nahazatra hatramin’izay dia rehefa nodimandry mihitsy ny tompon-toerana na firy na firy taona izay vao irosoana ny fifidianana. Handray ny faha-86 taonany i Benoit XVI izao nametra-pialana izao.

Samy manana ny mety ho fandraisany izany ny tsirairay avy fa niombonan’ny ankamaroan’ny olona aloha dia ny hoe hendry sy mendri-piderana ny fanapahan-kevitra, tsy namitaka, tsy nandainga ny Papa Ray Masina fa tena nitsotra hoe reraka izy ary tsy vitany araka ny tokony ho izy intsony ny asany. Hatramin’ny nandraisany io andraikitra goavana io dia efa maro be ny resaka momba ny toe-pahasalaman’ny Papa Ray Masina, hita taratra mantsy ny efa maha zokiolona azy sy ny faharerahany, niezaka ny nanao ny asany ihany anefa izy nandritra ny 7 taona, dia izao nametra-pialana izao.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT